Baomba be !

 

Nilatsaka ny vaovao efa nampoizina, omaly! Vaovao baomba be! Voatendry ho filoham-panjakana mpisolo toerana ny jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy nahataitra ho an’ny efa mpamaky raharaha politika. Tohin’ny lojika amin’ny kajikajin’ny mpiantsehatra hatrany am-boalohany izany raha vao nanomboka niely ny feo fa hirotsaka ho kandidà ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry.
Mety hanova ny fizotry ny fiainam-pirenena ny fanendrena an’ity manamboninahitra jeneraly ity, noho izy iarahan’ny rehetra mahalala fa olon’ny lalàna sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy maintsy hihenjana izy amin’ny endrika tsy fanarahan-dalàna ataon’ny hery velona politika samihafa. Iaraha-mahita rahateo ny mpanao politika sasany izay tsy manisy Hasina intsony ny fahefam-panjakana. Minia mandika an-kitsirano ny lamina apetraky ny mpitondra.
Raha mijery ny karazana hodidina iainan’ny Malagasy ankehitriny dia hita fa mila olona sahy mijoro sy hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna velona i Madagasikara. Zary mahazo vahana ny gaboraraka sy izay danin’ny kibo. Misy dia mihevi-tena fa miaina anatin’ny fanjakan’i baroa ka mamboly korontana ambony lainga sy famahanan-dalitra ny madinika.
Handalo fotoam-pifidianana i Madagasikara ka mila fitoniana. Tsy mandeha ho azy izany fa tsy maintsy mila mpitarika. Sarotra ho an’ny sarambabem-bahoaka tokoa ny hanaraka ny toromarika avy amin’ireto filoha miara-mitantana efa ho 30 mahery ireto. Tsy hita izay to-teny sy arahina. Ny zava-nisy aza ireny nahakivy, tsy hita be ihany hoe misy sa tsy nisy ilay fitondrana. Voatsiratsira, tsy nisy hasina intsony.
Antoka iray hampisy ny fifidianana ny fametrahana ity filoham-panjakana ity. Mila fifidianana ny vahoaka malagasy. Ao an-drenivohitra ihany no misy ity korontandrotana sy karazana fitakiana ity. Ny any amin’ny faritra dia tena efa volonandrom-pifidianana.

r.r

Partager sur: