Basikety N1A, vehivavy : fantatra ireo hiatrika ny manasa-dalana

Hiditra amin’ny lalao manasa-dalana anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1A, taranja basikety, sokajy vehivavy. Fantatra avokoa ireo ekipa tafakatra hiatrika izany, anisan’izany ny ekipan’ny Mb2All Analamanga. Ekipa anisan’ny nisongadina indrindra ity ekipa ity, satria fandresena 10 tamin’ny lalao 10 natrehany no norombahany. Izany hoe tsy mbola resy mihitsy ny ekipan’ny Mb2All nanomboka tany amin’ny fifanintsanana hatramin’izao dingana farany izao. Raha ny voka-dalao omaly, mbola nanjakazaka nanoloana ny ekipan’ny Serasera Vakinankaratra, ny ekipan’ny Coach Ndranto, ka nahazo ny fandresena tamin’ny isa mavesatra 68 no ho 32. Ekipa anisan’ny nahazo ny tapakila hiatrehana ny manasa-dalana anio, ihany koa ny TGBC Betsiboka. Isa mazava sy mavesatra 97 no ho 31 no nandavoan-dry Sambatra sy ny namany, ny ekipan’ny Fandrasa Matsiatra Ambony.
Niatrika ny lalao ampahefa-dalana ihany koa, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny JEA Vakinankaratra izay nifanandrina tamin’ny Ankaratra Vakinankaratra, teo koa ny GNBC Analamanga izay nihaona tamin’ny Ascut Atsinanana. Ny ekipa roa amin’ireo, araka izany, no manampy ny Mb2All sy ny TGBC amin’ny manasa-dalana anio.

Mi.Raz

Partager sur: