Efa miha mivoatra hatrany ny fanamboarana sy fanorenana trano fonenena maneran-tany. Anisan’ny taotrano mahaliana ny ankamaroan’ny olona, ny fanorenana mampiasa ny polystyrène.
Iray amin’ireo vinam-panavaozana ny toeram-ponenana eto Madagasikara ny fanorenana trano sahaza ny sokajin’olona sy mamaly ny filàny. Hatramin’ izay, biriky sy “parpaing” foana ny akora fototra nahazatra ny rehetra eo amin’ny fanorenana trano sy fotodrafitrasa. Mitondra vahaolana amin’ny alalan’ny teknika vaovao sy moderina amin’ny alalan’ny fampiasana “polystyrène” ny orinasa tsy miankina iray eto an-toerana. Havadika ho polymur na « beton armé isolé » ireo polystyrène. Fonosana vy ny polystyrène ka ny fitambaran’ireo akora no mitondra ny andrin’ny fanorenana amin’ny maha “beton armé isolé” azy. Afaka lalorina tsara toy ny fanorenana trano rehetra ihany ny polymur. Tanjona ny hahafahan’ny vahoaka malagasy rehetra hisitraka trano fonenana mendrika sy mafy ary maharitra, raha ny fanazavana. 70 ireo ozinina miparitaka maneran-tany, mifototra amin’ny fanamboarana sy famokarana « polystyrène expansée ». Ozinina iray mivondrona amin’izy ireo hita eto Madagasikara ny ”PolyTech” etsy Ambohimalaza. Fomba fanorenana trano niforona tany Italia ity teknika vaovao ity.
Afaka miatrika rivodoza sy horohorontany
“Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ity teknika vaovao fanorenana trano ity”, hoy ny tomponandraikitry ny varotra eo anivon’ ny polytech, Ramamonjiarisoa Safidy. Mafy sy mateza ary maharitra aman-taona maro ny fanorenana vita avy aminy. Afaka miatrika tsara ny loza voajanahary toy ny horohorontany sy ny rivodoza ihany koa, raha ny fanazavana hatrany. Efa nisy ny andrana natao mialoha ka nahafantarana fa mahazaka horohorontany mihoatra ny maridrefy 10 amin’ny Richter. Ankoatra izay, mahatohitra tsara ny rivodoza manana hafainganam-pandeha mitondra tafiotra maherin’ny 330km/ora ihany koa. Ankoatra izay, afaka mandanjalanja ny hafanana ao anatin’ny trano ihany koa ny polystyrène . Mangatsiaka kokoa ny ao anaty trano rehefa mafana ny andro. Manome hafanana ny ao an-trano kosa indray rehefa milatsaka ambany ny maripana. Tsy mila climatisation ny ao anaty trano vita amin’ity tekinika ity. « Raha 12° ny any ivelan’ny trano, manodidina ny 21° ny ao anatiny. Raha manodidina ny 33° ny any ivelany, 24° kosa ny ao anatiny », hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, anisan’ny mitondra anjara biriky amin’ny fanajana ny tontolo iainana ihany koa izy io. Tsy mitovy amin’ireo karazana polystyrène hita hamonosana fahitalavitra sy ny fitaovana fampangatsiahana… ihany koa ny akora. Tsy mirehitra ihany koa na arehitra aza. Ankoatra izay, manena ny feo avy any ivelany ihany koa ny trano vita amin’ny fanorenana.
Aparitaka any amin’ny faritra tapany atsimon’ny Nosy
Tao anatin’ny dimy taona nisian’ny orinasa mpamokatra ny akora vita amin’ny polystyrène teto Madagasikara. Efa manomboka mahalina olona maro ny fanorenana trano sy fotodrafitrasa vita amin’io akora io, raha ny fanadihadiana natao. Mivelatra amin’ny sokajin’olona maro samihafa ihany koa ny fanjifana noho ny tombontsoa maro azo avy aminy. Toerana maro manerana ny Nosy no efa ahitana ny fotodrafitrasa vita avy aminy. Toy ny eto an-drenivohitra, any Majunga, Nosy be…. Ezaka ataon’ny orinasa ny hampiroboroboana izany any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, raha ny fanazavana hatrany. Saika mizaka ny faharavan’ny fotodrafitrasa matetika ny any amin’iny faritra iny noho ny fandalovan’ny rivodoza saika isan-taona, raha ny zava-misy. Ezahana ny hanorenana ny fotodrafitrasa any an-toerana mba hananan’ny olona trano mafy sy maharitra na dia eo aza ny rivodoza matetika miseho. Manodidina ny 1 730 000 na 29% amin’ny vahoaka malagasy no tsy manana trano fonenana na miaina amin’ny toerana tsy lavorary. Vita amin’ny akora marefo avokoa ny 71% amin’ny trano fonenana vita eto an-toerana. Toy ny ravina, hoditra na tahona zava-maniry, indrindra ny any amin’ny faritra. Mbola miaina ao anaty tsy fahalavorariana avokoa ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy na eto an-drenivohitra na Ambanivohitra.
Nanatontosa : Mino