Nifampiraharaha ny fanjakana, ny Jirama ary ny orinasa Jovena fa ampiana 2 000 m3 fanampiny ny solika menaka mavesatra hafarana avy ivelany. Anisan’ny antony ny fitomboan’ny fandaniana solika amin’izao vanim-potoana mafana izao.
Ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 24 oktobra teo, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny fanaovan-tsonia ny fanampiana solika mavesatra (HFO) 2 000 m3 isam-bolana ho an’ny orinasa Jirama.
Fifanarahana nataon’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo sy ny Jirama ary ny orinasa Jovena.
Fantatra fa hiantohan’ny fanjakana ny fividianana io solika io, ahafahana mampiakatra ho 17 000 m3 ny filan’ny Jirama isam-bolana. Marihina fa tamin’ ny 6 aogositra 2023 ny fifanarahana natao voalohany, ary izao nasiana tovana izao.
Vanim-potoana maintany
Antony roa no nahatonga ny fanaovana ity fifanarahana tovana ity. Voalohany, niakatra ny vidin’ny famatsiana solika HFO satria nitombo ny antsoina hoe « platts ». Faharoa, nitombo koa ny filàna HFO ao amin’ny orinasa Jirama satria ao anatin’ny vanim-potoana maintany, ka mihena ny tosiky ny rano any amin’ireo toby manodina herinaratra avy amin’ny tohodrano, ny volana oktobra hatramin’ny desambra. Koa, lasa 17 000 m3 ny filàna raha 15 000 m3 ny voarakitra tao anatin’ny fifanarahana ny 6 aogositra.
Tsiahivina fa efa nisy ny fikasan’ny Jirama hanafatra mivantana solika any ivelany, tamin’ny volana avrily teo, saingy tsy tanteraka. Natao ny antso tolo-bidy iraisam-pirenena, fa tsy nisy tohiny taty aoriana. Efa nisy koa izay tranga izay tamin’ny jolay 2021 saingy tsy nisy namaly. Koa, izao miverina nifanaraka amin’ny Jovena izao indray. Marihina fa ny Jirama no mampiasa ny 40% amin’ny solika eto Madagasikara.
Njaka Andriantefiarinesy