Nihazo ny any Atsinanana indray ny kandidà Rajoelina Andry, omaly. Anisan’izany ny tao Moramanga sy Brickaville. Nambarany fa hametrahana faritra indostrialy lehibe any an-toerana, ahitana orinasa afakaba , ho voavatsy herinaratra. “Ho veloma hatreo ny tsy fananana asa ho an’ny tanora. Hiasa mafy isika ahazoan’izy ireo asa. Efa miainga isika izao ka manome toky fa tsy maintsy mandroso isika amin’ny 5 taona manaraka ary hamiratra ny firenena”, hoy izy.
Notsiahiviny fa efa natomboka izany amin’ny fanorenana ozinina isaky ny distrika (Odof) ka nisitraka izany ny ao Moramanga. Eo ny fanodinana “yaourt” sy voatabia. Na izany aza, niaiky ny kandidà laharana fahatelo fa tsy mbola afa-po ka hiezaka hanakaiky kokoa ny vahoaka. “Hikarakara ny sosialim-bahoaka isika ary hijery ny tanora, ny vehivavy, ny marefo, ny tantsaha…”, hoy ihany izy.
Na hamoizana ny aina aza…
Notsindriny kosa anefa fa ny safidin’ny tsirairay no hanovana ny tantara ka niantsoany ny rehetra ho tonga maro hifidy ny 16 novambra izao. Hibata ny 93% amin’ity indray mandeha ity raha 63% izany tamin’ny fifidianana ny taona 2018, tany Moramanga.
Etsy andaniny, nohitsiny fa tsy misy ahasakana azy amin’ ny fampandrosoana ny firenena sy ny fitiavan-tanindrazana mikoriana ao anatiny ireo mpanenjika. “Tsy resaka zom-pirenena no olan’ny Malagasy fa ny fahafoizan-tena sy ny fitiavan-tanindrazana… Vonona ny tenako na hamoizako ny aiko aza ho amin’ny fanavotana ny firenena ary tsy misy ahasakana antsika amin’izany lalana izany mihitsy. Tsy maintsy vitako izany”, hoy izy.
Synèse R.