Rugby « Mondial 2023 » : hanao famaranana ny Sprinboks sy ny All Blacks

Hotanterahina anio sabotsy 28 oktobra, any France, ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja rugby. Ny ekipam-pirenena Springboks, Afrika Atsi­mo sy ny All Blacks, Nouvelle Zélande no hifanandrina amin’izany. Tsiahivina fa ny sabo­tsy sy ny alahady lasa teo izy ireo no tafavoaka tamin’ny manasa-dalana. Raha hiverenana izany, ny Springboks nandresy ny XV de la Rose, Angleterre, tamin’ ny isa tery 16 no ho 15, ny sabotsy 21 oktobra lasa teo. No­mon­tsanin’ny All Blacks tamin’ny isa mavesatra, 44 no ho 6 i Argentine, ny zoma 20 oktobra lasa teo.
Adin’ny samy ngeza ity lalao ity. Samy haka ny anaram-boninahitra faninefany ho azy avy ny roa tonta. Nandritra ny herinandro lasa teo, nanoman-tena mafy ny roa tonta. Raha ny fihaonan’izy ireo farany, mbola manala vela i Nouvelle Zélande. Niondrika teo anatrehan’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa mavesatra 7 no ho 35, ny ekipa nasionaly Nouvelle Zélande.

Marihina fa ny Springboks no tompondaka farany tamin’ ny «Mondial Rugby 2019”. Tsara ny mampahafantatra fa nanomboka ny 8 septambra lasa teo ary hifarana anio ny “Mondial Rugby 2023”.

Fitia Randria

Partager sur: