Volley-ball, «Coupe de Mada». Nanomboka omaly zoma 27 oktobra, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley-ball. Fifaninanana tanterahina any Mahajanga ary haharitra hatramin’ny 4 novambra izao. Manana solontena avokoa ny ligim-paritra rehetra manerana ny Nosy.
“Basikety-fampiofanana”. nifampizara traikefa tamin’ny Malagasy mpitsara, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly, ny manampahaizana iraisam-pirenena avy eo anivon’ny FIBA Afrika, i Leslie Chérubin. Tafiditra anatin’ny fanatsarana ny lafiny fitsarana lalao sy ho fanarahana ny fivoarana iraisam-pirenena, izao fifampizarana izao.
Hotanterahina anio, any Arabie Saoudite, ny ady lehibe indrindra sady andrasan’ny rehetra amin’ny taranja ady totohondry. Hifanandrina amin’i Tyson Fury, Anglisy mpiatrika haiady sy i Francis Ngannou, Kameroney mpikatroka haiady. Tsiahivina fa i Tyson Fury, tompondakan’i WBC, raha toa ka tompondakan’i UFC i Francis Ngannou.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny fihaonan’i Madagasikara sy i Tchad. Hotanterahina any Maroc, ny lalaon’ny roa tonta ny 20 novambra ho avy izao. Marihina fa natao hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, izay atao any Etats-Unis, izany.