Naratra mafy ny mpitondra bisikileta iray nofaohin’ny fiara 4×4 teny Ampitatafika, omaly maraina. Tao anatin’ny fotoana fandehanan’ireo fiara ho famahana ny fitohanan’ny fiara niainga avy any Ampitatafika mivoaka ny tetezan’Anosizato no nitranga ny loza. Nirimorimo nandeha mafy ireo fiara ka voafaoka ilay mpandeha bisikileta. Potika ny bisikileta raha nentina tany amin’ny hopitaly kosa ilay naratra.
Voaendaka tao anaty taxi-be teny Ilanivato Anosipatrana ny renim-pianakaviana iray mpandeha , omaly. Somary ratsiratsy ny lalana ka nandeha mora ny taxi-be. Nohararaotin’ireo mpanendaka avy hatrany izany. Efa narahan’ireo jiolahy tamin’ny sisim-baravaravankely izy teo am-pilalaovana ilay finday. Nihoraka indray mandeha ity renim-pianakaviana ity ka tsy afa-nanoatra intsony.
Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly, ny lehilahy iray mpanao trafikana zava-mahadomelina. Tratran’ny zandary niaraka tamin’ny rongony marobe izy teny Ambohimangakely, ny 25 oktobra lasa teo. Fonosan-drongony 29 no hita teny aminy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Nilaza izy fa efa telo taona nivarotana rongony saingy izao vao tratra.
Vehivavy iray naratra nianjera tao anaty lavaka, teny Andrefan’Ambohijanahary, omaly, nandritra iny orambe nikija iny. Avy nirava niasa ka teny an-dalana hody izy no nisolifatra tampoka. Folaka ny tongony satria feno rano rahateo ny arabe ka tsy hay intsony ny manavaka ny lalana sy ny lavaka. Olona teo amin’ny manodidina nahita ny fianjerany no nanavotra azy.