Vonona sy afaka miasa ireo fitaterana an-dalamby (train urbain) eto an-drenivohitra. Efa vita avokoa ireo fiantsonana rehetra hatreny Amoronakona. Hiodina amin’ny “diesel” ity fitaterana ity ary mahavita zotra hatramin’ny enina isan’andro. Misy ny dingana sy lamina amin’ny fidirana ny amin’ny “train urbain électrique”.
Mpizahatany 4 931 avy any Pologne no tonga mitsidika an’i Madagasikara tamin’ity taona ity. Nahitam-piakarana izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, tamin’ny alalan’ireo paikady nataon’ny Eoropa Atsinanana amin’ny fampahafantarana ny firenena malagasy. Anisan’ny mandray anajara amin’ny “Tour Salon Fair Poznan” atao any Pologne i Madagasikara.
Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fanajariana ny sisin-dranomasina, hatao toerana fialamboly any Toamasina, (Miami Sud), sy any Toliara. Efa nankatoavin’ny fanjakana ny orinasa tsy miankina hanatanteraka ny asa.
Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana, amin’ny fanafarana avy any ivelany ny fitaovana ilaina amin’ny fitaterana teleferika. Misy koa ny fitaovana toy ny andrimby (pylones), sy ny kojakoja ilaina amin’ny toeram-piantsonana na gara, amin’ny ampahany Soarano, Ivandry, ao anatin’ny zotra Anosy-Ambatobe.