Barea de Madagascar : Aleo izay mendrika no ho voafantina

Mbola any ivelany amin’izao fotoana, ny filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­manam­pisoa Alfred, sy ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, Rakotondrabe Romuald Felix (Rôrô). Any Frantsa izy mirahalahy mianaka, mitety ireo klioba ka mijery sy mifantina ireo mpilalao manana ra malagasy na tena Malagasy 100 isan-jato, izy ireo ka ho afaka hanatevina ny Barea de Madagascar, amin’ireo lalao tafiditra ao anaty fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”, ho an’ny faritr’i Afrika.
Mitodika any amin’izy ireo ny mason’ny mpitia baolina kitra rehetra satria hiankinan’ny fifantenana ataon’izy ireo ny hahatsara sy hahazoan’ny Barea vokatra tsara. Aleo ary mba ho izay mendrika no ho voafantina. Marina fa tsy anjaran’ny filohan’ny federasiona ny miditra amin’izany satria resaka teknika ilay izy saingy manana anjara adidy izy amin’izay mety ho fahitany na toro-hevitra fa tompon-teny farany ny mpanazatra. Tsara ny roa no ho ny iray ary ny hevitry ny maro mahataka-davitra ka fotoana mampety azy mihitsy izao, fiarahan’ny roa tonta any Frantsa izao.
Lokalokan’ny filohan’ny federasiona malagasy rahateo, ny hanaovan’ny Barea de Madagascar, ny “Mondial”, amin’ny taona 2026. “Trano-pody anefa no vitan’ny vava”, hoy ny fitenenana . Mila ezaka izany ary mitaky asa makadiry. Inoana fa ho tratra izany tanjona izany, raha toa ka mahay miara-miasa ny mpitantana sy ny mpanatanteraka. Sarotra izany saingy azo tanterahina tsara fa aleo izay mendrika no ho voafantina.
Nohararaotin’izy ireo ny fandalovany tao Frantsa, nijerena ny lalaon’i Ryan, kapitenin’ny Barea, izay nanavao ny fifanarahany amin’ny AJ Auxerre, indray.

Tompondaka

Partager sur: