Basikety N1A : Tompondaka ny Mb2All sy ny GNBC

Nifarana omaly alahady 29 oktobra, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­masina, ny fifaninanana nasionaly N1A, lahy sy vavy, taona 2023. Voahosotra ho tompondaka ny Mb2All sy ny GNBC.

Niady tanteraka ny lalao famaranana, na teo amin’ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy. Nampiseho ny maha ekipa sangany azy avokoa ireo ekipa 4 niatrika ny famaranana. Fitaintainana tanteraka no niainan’ny mpijery mandra-pahavitan’ny lalao roa natao. Teo amin’ny sokajy vehivavy, nifampitady hatrany am-piandohan’ny lalao, ny ekipan’i Muriel sy ny ekipan’i Chine. Nanantombo kokoa anefa ny Mb2All na dia nisy fotoana aza nahasahala ny isa. Isa ety dia ety 60 no ho 54 no naha­zoan’ny Mb2All Analamanga ny fandresena nanoloana
ny GNBC Analamanga. Raha hiverenana ny vokatra hatramin’izay, fandresena inefatra nisesy izao no norombahin’
ny Mb2All Analamanga. Afapo tanteraka tamin’ny vokatra azo ny ekipa na dia somary mafimafy aza ny niatrehana ny lalao famaranana, araka ny nambaran’ny mpanazatran’ny Mb2All.
Lasan’ny zandary

Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, voahosotra ho tompondaka 2023, ny ekipan’ny GNBC, rehefa tsy nisalotra ny anaram-boninahitra tao anatin’ny taona maromaro. Lalao tena nampitsanga-mitoetra ny mpijery indrindra nandritra ity
fifaninanana ity ny fihaonan’ny roa tonta. Nifandimby tanteraka ny fitarihana isa hatrany am-panombohana hatramin’
ny minitra 5 tsy hifaranan’ny lalao. Imbetsaka no sahala ny isa ary baraingo tanteraka ho an’ny mpijery ny ho mpandresy. Teo amin’io minitra 5 tsy hifaranan’ny lalao io anefa no nihanahazo hery ny GNBC ka nihoatra isa maromaro nanoloana ny Ascut. Tafavoaka ho mpandresy tamin’ny isa 89 no ho 71, araka izany, ny GNBC. Nanao pao-droa kosa, Randriamampionona Elly satria norombahiny avokoa, ny mpilalao mendrika sy ny mpilalao namono baolina be indrindra, teo amin’ny sokajy lehilahy. Laharana fahatelo teo amin’ny sokajy vehivavy ny TGBC Betsiboka ary ny Cospn Analamanga kosa ny fahatelo teo amin’ny sokajy lehilahy.

Mi.Raz

Partager sur: