Basikety-“stage level 1” : Mpitsara 15 misitraka fiofanana

Niatrika fiofanana omen’ny FIBA Afrika, nanomboka ny sabotsy 28 oktobra lasa teo, ny Malagasy mpitsara 15 mianadahy. 8 amin’izy ireo avy any amin’ny faritra ary ny 7 kosa avy eto Analamanga. Fiofa­na­na haharitra hatramin’ny ra­hampitso talata 31 oktobra, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ma­nam-pahaizana avy eo anivon’ny FIBA, i Leslie Chérubin no mizara ny traikefany amin’ireo Malagasy mpitsara, ka mari-pahaizana “level 1” no ho azon’izy ireo. Misy ny “théorie” ary misy koa ny fampiharana ao anatin’ny fiofanana. Miatrika fanadinana ireo mpiofana ao­rian’ny fiofanana, ka afaka 2 volana eo no hivoaka ny valin’izay fanadinana izay, araka ny fanazavana. Tsiahivina fa fiaraha-miasan’ny FIBA Afrika sy ny federasiona malagasin’ny basikety ary ny CCA (Commission centrale des arbitres) izao fampiofanana izao ary ny FMBB no manome ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpitsara afa-panadinana.

Mi.Raz

Partager sur: