Maro ny karazan-tseho nanaovana ny sanganasan’i Bessa. Iray amin’ireny ny hotontosaina ny alarobia 1 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. «Ny kanton’i Bessa sy i Lôla, hokaloin’i Rija Ramanantoanina sy i Farakely », no lohahevitra nosafidin’ny mpikarakarara. « Hevitra avy amin’ny mpikarakara manontolo izy ity. Nosafidin’izy ireo izahay hanao izany am-pitiavanabe », hoy i Farakely. “Hatramin’izay, rehefa mamelona ny sanganasan’i Bessa izahay, dia mpanakanto maro mianadahy no miray sehatra. Rehefa tena nodinihina anefa, lehilahy iray sy vehivavy iray miaraka amin’ireo mpitrotro ilay Bessa sy i Lôla, ka izay no haverinay”, hoy kosa ny fanazavan’i Rija Ramanantoanina. “Ireo hiran’i Bessa amin’ilay fanahy nanaovany azy voalohany mihitsy no ezahinay haverina. Na ny mpitendry aza misy ireo efa niaraka taminy hatrany am-boalohany”, hoy i Farakely nanamafy. Hira maherin’ny 40 no halahatr’izy ireo, izany hoe, haharitra any amin’ny ora telo sy sasany any ny fampisehoana.
Zo ny Aina