Kandidà Andry Rajoelina: « Mamoafady ny fivoizana ny adim-poko sy ny fanavakavahana »

Toliara, Sakaraha, Betroka, Ihosy, ireo ny toerana notsidihin’ny kandidà Andry Rajoelina, ny faran’ny herinandro. Nitodika amin’ireo mpanao politika sasany ny tenany tamin’izany.

Nambarany fa fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy ny azy ary mampiray ny Malagasy. Ma­moafady ny fivoizana ny adim-poko sy ny fanavakavahana. “Aoka halavirina ny fankahalana… Adidin’ny mpitondra ny mampitambatra sy mampiray ka tsy azo ekena velively ny fampirisihana ho amin’ny fisaraham-bazana”, hoy izy. Nanteriny fa hijoro hampitambatra izy. Tsy manilika ny hafa fa hampandrosoana avokoa ny distrika sy ny faritra rehetra, araka ny nambarany hatrany. Notebahiny koa ireo mpanao politika nivadibadika sy nanaratsy azy na efa niaraka taminy aza. Niaiky anefa ny tenany fa mbola antony mampijoro azy ny vahoaka ka anisan’izany ny ao Toliary. “Tsy maintsy mandresy isika ary efa lany raha izao hamaroantsika izao… Hanova ny tantaran’ny firenena isika”, hoy ihany izy.

Hamorona asa
Notanisainy avy eo ireo fotodrafitrasa maro vita tany amin’ny toerana nolalovany. Anisan’ireny ny lalana RN-9, ny sekoly sy efitrano fianarana, ny biraon’ny fitantanam-bola sy ny fitaleavam-paritry ny polisy, ny tranoben’ny serasera, ny seranam-piaramanidina nohavaozina andraisana sidina iraisam-pirenena, sns.
Nanome toky hatrany ny fijerevana ny sosialim-bahoaka ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, tamin’ny lahateny nataony. Anisan’ izany ny famoronana asa sy fampiroboroboana ny seha-pihariana miainga amin’ny filàn’ny faritra.
Toy ny nahazatra tamin’ny faritra efa nolalovany, nialohavana tsodrano avy amin’ny raiamandreny ara-drazana na ny tompon-tanàna ny fampielezan-kevitra nataony.

Synèse R.

Partager sur: