Minisitra Ramaholimasy Pierre Holder : « Tsy mikarakara fifidianana izahay »

“Misy miteny hoe aleo hanangana governemanta vaovao hikarakara fifidianana: faran’izay diso izany. Tsy manana fahefana amin’ny fikarakarana fifidianana ny governemanta”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, Ramaho­limasy Pierre Holder, manoloana ny fitakiana governemanta iraisana hikarakara fifidianana. Asa vonjimaika amin’ny fampandehanan-draharaha andavanandro ny asan’ny governemanta ifarimbonana. Tsy an’ny governemanta ny asan’ny HCC sy ny Ceni. Tsy manana fahefana amin’ny Ceni ary tsy miandraikitra raharaham-pifidianana ny governemanta. Raha misy ny miahiahy ny fisian’ny hala-bato, miaraka manara-maso ny fifidianana. Miaraka manara-maso ny voka-pifidianana miala eo amin’ny biraom-pifidianana mandra-pahatonga any amin’ny CRMV eny amin’ny distrika, mandra-pahatonga any amin’ny Ceni sy ny HCC. “Araho maso ny voka-pifidianana dia tsy misy hala-bato”, hoy izy.
Tsy lalàna natao amin’izao fitondrana izao no nanangana ny HCC sy ny Ceni ankehitriny, fa efa lalàna nananganana ny HCC sy ny Ceni teo aloha. Ny ankoatra an’izay, resaka politika. Hatramin’izay, nisy nitsikera hatrany ny HCC sy ny Ceni hoe eo an-tanan’ny filohan’ny Repoblika. Tsy natao ho sakana izany, fa adilahin’ny mpanao politika ha­trany. Amin’izao fotoana izao, tokony ho ny vahoaka amin’izay no miteny rehefa fifidianana. Tsy ny gidragidran’ny samy mpanao politika ihany no tokony hanjaka, fa tokony hirosoana ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: