Nafenina tanaty gony: fatim-behivavy roa voatetitetika

Fatim-behivavy roa, natao tanaty gony samy hafa, no nisy nahita afakomaly. Ahina ho efa maty tamin’ny roa volana lasa izy ireo. Voatetitetika ny razana, mbola tao avokoa ny taolany.

Fatim-behivavy roa tokony ho 48 sy 50 taona, natao tanaty gony roa samy hafa, no nisy nahita tao amin’ny fokontanin’Ambara­rata, kaominina Mahatsinjo, distrika Vondrozo, ny sabotsy teo. Olona sendra nandalo no nampandre haingana ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Vondrozo. Nidina ifotony, nanao fizahana sy famotorana ny mpitandro filaminana. Niaraka tamin’izy ireo ny ben’ny Tanàna sy ny dokotera tao amin’ny CSB II. Voamarina ny fisian’ireo gony roa samy hafa nahitana razana vehivavy roa.
«Nifatotra ireo gony ireo tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpanao fanadihadiana. Raha ny fitsirihana na­taon’ny dokotera, mbola hita tamin’ireo razana ireo avokoa ny taolana rehetra. Raha ny tombatomban’ny dokotera hatrany, roa volana teo ho eo ireto razana ireto. Renim-pianakaviana manodidina ny 48 sy 50 taona eo ho eo izy ireo.

Tsy mbola fantatra
Nentina niakatra tao an-ta­nànan’i Mahatsinjo avy hatrany ireto gony lehibe nisy razana ireto. Nisy avy hatrany ny fampandrenesana nataon’ny zandary miaraka amin’ny ben’ny Tanàna sy ireo fokonolona sao misy trangana vaky fasana manodidina ny kaominina. Ahina ho fikasana hangalatra taolam-paty ny tao ambadik’izao raharaha izao, raha ny fam­pitam-baovao voaray. Hatramin’ izao, tsy mbola nandrenesana trangana vaky fasana rahateo tany an-toerana mialoha izao. Nilaza ny zandary fa raha tsy misy fianakaviana mitaraina momba ny fisiana vaky fasana dia hatolotra ny fokonolona ny fandevenana ireto razana ireto. Misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha fahitana fatim-behivavy ity. Tsy mbola fantatra ihany koa ny fasana nakana ireto razana ireto. Tsy fantatra koa ireo olona tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary, araka izany, no mamaritra ny marina rehetra momba izany.

Jean Claude

Partager sur: