TSELATRA

Tapitra kila hotohoton’ny afo ny toeram-pisakafoana iray eny Bel’Air, ny faran’ny herinandro teo. May avokoa ny entana rehetra tao an-dakozia. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa ny tao amin’ny faritry ny lakozia no nisy afo nijoalajoala. Tonga teny an-toerana nanao ny asam-pamonjena ny avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina.

Raim-pianakaviana iray nandeha an-tongotra no naratra mafy voafaokan’ny fiara 4×4 iray teny By-Pass, ny sabotsy alina teo. Lasa nitsoaka avy hatrany kosa ilay fiara nahavanon-doza. Avy niasa ity raim-pianakaviana, ka teny an-dalana hody izy, no tra-doza tampoka. Ireo olona nahita ny loza teny an-toerana no nitondra azy namonjy hopitaly.

Lehilahy iray nanao akanjo fotsy no nosavoritahan’ny andiam-behivavy teny Tanjombato, ny sabotsy hariva teo. Tsy fantatra izay zava-nitranga fa izy efa nifampitoloman’ireo vehivavy ireo no hitan’ny olona teny an-toerana. Nilaza anefa ity lehilahy ity fa avy namonjy lanonana ka noheverin’ireo vehivavy nifampitolona taminy fa hoe avy namonjy ny fivorian’ireo kandidà 10.

Zazakely iray naratra nianjeran’ny voatavo teny Namontana, omaly maraina. Sendra nilalao teo akaikin’ny kamiaobe iray nitondra voatavo izy no nikodia tampoka avy ao anaty kamiao ilay voatavobe. Nianjera tamin’ny lohany izany ka naratra izy. Variana nivarotra ny renin’ilay zaza ka tsy nahita ny zava-nanjo ity zanany. Avotra ihany anefa ilay zaza rehefa nentina tany amin’ny dokotera.

Partager sur: