Tsy mpampiala voly fotsiny… : tompon’andraikitra koa ny mpanakanto

Karama fotsiny, ho an’ny sasany. Adidy amin’ny firenena kosa, ho an’ny hafa. Na inona na inona fironana, tompon’andraikitra amin’ny raharaham-pirenena ny mpanakanto.

Mpanabe ny mpanakanto. Manana adidy goavana amin’ny mpiara-belona aminy izy ireny, indrindra ireo mpanao mozika. Efa adidy sy andraikiny ny mampiala voly, saingy tsy izay ihany. Isaky ny misy vanim-potoana mafanafana teto Ma­dagasi­kara, nahitana mpanakanto ha­trany nanamarika izany.
Vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra izao. Fotoana izay tena ilana indrindra ireo mpanakanto mpanao mozika. Misy ireo mialokaloka ao ambanin’ny hoe “asa io ka hatao”, kanefa tsy manala ilay andraikitra maha mpampita hafatra izany. Misy ireo sady miasa no resy lahatra tanteraka amin’izay kandidà tohanany. Afaka manova be ny toe-draharaha mantsy ny mpanakanto, satria mahasarika olona ary afaka mandetika hevitra any anatin’ny fanahin’ireo mpankafy azy, izy ireo.
Andaniny, misy ihany koa ireo mpanakanto sady “mpanao politika”. Mivoy hevitra sy fironana politika, ary miezaka mandresy lahatra ny mpiara-monina mba hirona amin’izay heveriny ho mety. Mbola anisan’ny adidiny izany, na dia tsy mahazatra firy aza. Firifiry moa ny mpanakanto sady mpanao politika, mpitari-tolona na manana andraikitra ambony eo amin’ny fireneny, any ivelany any?
Sabatra roa lela ihany anefa, raha tsy mahay mandanjalanja ireo mpanakanto. Satria efa mpitarika, tompon’andraikitra foana izy, na mankany amin’ny mety na sanatria mirona any amin’ny tsy izy ny firehany. Tompon’ andraikitra ihany koa amin’ny mpankafy, izay mpiara-monina notarihiny. Mahakasika ny asa maha mpanakanto manokana, tsy maintsy mivonona amin’ny mety ho fiantraikany noho ny fanaovana politika izy ireo. Misy ireo vonona hanaraka hatrany, tsy maintsy misy kosa ireo hitsoaka an-daharana tsy ho isan’ny mpanjifa mozika intsony.

Zo ny Aina

Partager sur: