Vaovao tambatra

Tapitra omaly ny hetsika « Salon de la créativité Voatra », andiany faha-10. Hetsika ara-barotra sy ara-toekarena hanandratana ny vita malagasy sy ho fampirantiana ny vokatra nataon’ireo mpandraharaha misitraka tohana avy amin’ny Antenimieran’ny indostria sy ny varotra. Nahasarika mpitsidika maro ny hetsika.

Miara-misalahy amin’ny fanamboarana ny digy vaky efa an-taonany maro ao Ambohitanilava, kaominina Tanambe, ny fiadidiana ny faritra Alaotra Mangoro sy ny olom-boafidy ao an-toerana. Vokatra amin’ny tanimbary amina hektara maro no simba isan-taona noho ny faharavan’ity digy ity.

Tombanana ho 250 l ireo gazoala halatra tratran’ny orinasa Jirama ao Nosy Be, nandritra ny fampidinana solika tamina kamiao roa. Nitsoaka nandritra izany ny mpamilin’ny kamiao. Tsy handefitra amin’ny raharaha ny orinasa Jirama.

Voafidy ho toerana fanaingana amin’ny fambolena ala honko i Anjiabe, distrikan’Ambilobe, ny sabotsy teo. Tany mirefy 18Ha no hanaovana izany. Hanara-maso ny fambolena ny Vondron’olona ifotony. Marihina fa miantoka ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny toerana fanatodizana sy fitomboan’ny hazandrano.

Partager sur: