Vehivavy roa sy lehilahy dimy saron’ny mpitandro filaminana nanaparitaka rongony mahery vaika “héroïne” tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Ny 20 oktobra lasa teo, naharay fitarainana ny zandarimaria Toamasina Ville, momba ny fisiana mpidoroka rongony. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ireto farany. Sarona tamin’izany ny lehilahy dimy sy vehivavy iray. Tratra teny amin’izy ireo ny fitaovam-pitsindromana maromaro sy ny rôrô. Efa mpamerin-keloka amin’ny famarotana sy fidorohana io karazana rongony io ny lehilahy iray amin’izy ireo. Vehivavy iray manaraka fitsaboana noho ny tsy fahasalamany vokatry ny fitsindromana rôrô. Nentina natao fanadihadiana lalina izy fito mianadahy. Mitohy ny fikarohana ireo mpamatsy rongony azy ireo.
Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina Anosy teny Anosibe koa, ny 26 oktobra lasa teo, ny lehilahy roa. Malaza ratsy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika ry zalahy ireto. Mampitaraina ny olona eny Anosibe ny fisian’ireto roa lahy ireto satria mivadika manao asan-jiolahy rehefa avy mandray zava-mahadomelina. Nametraka ny vela-pandrika ny polisy ka izao niafara tamin’ny fisamborana azy ireo izao. Mbola nahitana fonosan-drongony tamin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotoran’ny polisy. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo rehefa avy natolotra ny fampanoavana.
Sajo/Tsiferana R.