Tsy nahitana afo intsony ny atialan’i Maromizaha, hatramin’ny niarahan’ny Gerp sy ny mponina nitantana ity Faritra arovana ity. Nivoatra ny velon-tenan’ny mponina ary niova ny toe-tsain’izy ireo.
Anisan’ny marefo manoloana ny tsindry amin’ny tontolo iainana ny alan’i Maromizaha, 140 km miala an’Antananarivo, manamorona ny lalam-pirenena faharoa RN-2. Nahazo ny sata Faritra arovana vaovao (NAP), nanomboka ny taona 2015, mirefy maherin’ny 1 800 ha. Miara-mitantana azy ny Vondrona mpanadihady sy mpikaroka mahakasika ny Varika (Gerp), sy ny Vondron’olona ifotony (VOI).
Nahomby ny ezaka natao. Niisa 138 ny tebok’afo (point de feu), ny taona 2015, nihena 6 ny 2017, ary tsy nisy intsony, « aotra afo » (zéro feu), ny taona 2018 izay voatazona hatramin’izao. Manodidina ny 2 700 hatramin’ny 3 000 ny isan’ny olona nisitraka ny tohana omen’ny Gerp.
Niova ny fiharian’ny mponina fa tsy nanao teviala sy ny tavy intsony. Niroborobo ny fiompiana tantely, trondro, ny fambolena ara-teknika amin’ny tany kisilasila (courbe à niveau), sns. Nivoatra koa ny lafiny sosialy, toy ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fanomezan-danja ny vehivavy sy ny tanora.
Marobe ny ao ambadika
Nilaza ny filohan’ny Gerp, ny profesora Ratsimbazafy Jonah, fa “tsy tanteraka ireo raha tsy teo ny fiaraha-miasa tamin’ny sokajin’olona marobe tao ambadika tao ”.
Razanakoto Michel, Tangalamena, 83 taona : Nanaiky ny hiasan’ny Gerp teto Maromizaha izahay olobe sy raiamandreny, satria mazava taminay ny tetikasany. Mivaingana ny fiovana sy ny fandrosoana. Niteraka asa vaovao ho an’ny taranakay ny tetikasa marobe.
Rakotovazaha Edouard, ray aman-dreny : Natsanganay ray aman-dreny sy ny Gerp, ny vovonana ahitana ny sokajin’olona rehetra. Sarotra ny nanala ny olona nitrandraka tanaty ala saingy nivaly ny ezaka rehefa nisy foana ny fanentanana. Mila miova ny toe-tsaina raha te handroso.