Tsy ny eto an-toerana ihany no mahatsiaro ny fahasimban’ny teny malagasy fa ny any ivelany ihany koa. Mandray andraikitra ny fikambanana Kolo Malagasy ka manatanteraka ny « Soratononina » tao anatin’izay 20 taona izay.
Taona 2002, noforonin’ Itompokolahy Jarisoa Rakotoarivelo sy i Mamy Randrianarivony ny Kolo Malagasy . Taona 2003, nijoro ara-dalàna ao Frantsa ny fikambanana. Tanterahina ao Paris sy any amin’ny departemanta (Frantsa) indray mandeha na indroa isan-taona ny «Soratononina». Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’izany hetsika izany ny hanatanterahina ny «Soratononina» 2023, ny sabotsy 18 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Inalco, Paris 13 ème.
Kopa-droa ny tanjona
amin’ny “Soratononina”. Fampitana ny fahalalana momba ny kolontsaina, zavakanto, soatoavina malagasy amin’ny alalan’ny soratononina. Fampiroboroboana ny fahalalana, ny fifehezana, ny fanoratana, ny fandalinana ary fampitomboana ny fahalalana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny lahatsoratra «Soratononina». Nohamafisin’ny mpikarakara fa: «ny « Soratononina » dia fitaovana hampitana ny haren-tsarobidy ara-kolontsaina amam-panahy maha izy ny Malagasy».
Manaraka lohahevitra
Miova isan-taona ny lohahevitra. Miainga amina rantsana kolontsaina sy zavakanto , toy ny fitafy malagasy, mozika malagasy, dihy malagasy, maritrano malagasy, hosodoko malagasy, taotrano malagasy, sns. Ao koa ny soatoavina amam-pahendrena malagasy tahaka ny fihavanana, harem-panahy, fahendrena, fomba amam-panao, sns.
Miainga amin’ny fandalinana sy fikarohana isaky ny rantsan-kolontsaina safidina ny lohahevitra. Iaraha-miasa amin’ny teknisiana na manam-pahaizana momba ilay lohahevitra. Rehefa vita izany, miroso amin’ny fanoratana ny mpanoratra. Aorian’izay, hifandrombonan’ny mpampianatra teny malagasy ny fanitsiana sy fanatsarana ny lahatsoratra.
HaRy Razafindrakoto