Manentana ny vahoaka sy ny mpanao politika hiroso amin’ny fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny 16 novambra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, ny faran’ny herinandro teo.
Niantso ny hametrahan’ny miaramila ny basiny ireo ampanjaka sy tangalamena, tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo tetsy Antsakaviro, omaly fa ho sahirana eto isika raha hifamono. “Zanatsika avokoa na ny HCC na ny Ceni… Aoka isika hifampihaino…”, hoy izy ireo.
“Tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fanapahan-kevitry ny HCC”, hoy ny mpanolotsaina avy eo anivon’ity Andrimpanjakana eny Ambohidahy ity, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’izany ny nanendrena ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana ho filoha mpisolo toerana.
Mitohy ny fitokonan’ny Seces Sampana Antananarivo. Tsy afaka hangina izy ireo manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. “Tokony harovana tahaka ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana satria tsy kilalaon-jaza ny fitantanana ny firenena”, hoy izy ireo.