Misy asa vaovao niforona ho an’ny mponina, hiaro ny ala, toy ny mpisafo ala, ny mpiambina, ny mpitari-dia ho an’ny fikarohana sy ny fizahantany, ny mpamokatra zanakazo, sns. Manohy ny velon-tena andavanandro, mamboly sy miompy koa anefa izy ireo.
Rakotoarimanana Jean Louis, mpamokatra zanakazo : Mahalala karazana zavamaniry an’ala fanao fanafody manasitrana aretina maro aho. Misy karazany telo ny hazoala vokariko, ny haingam-pitombo (molanga, pitsikahitra, arongana, vakoka, sns), ny hazo misy voankazo ho an’ny biby (rotra, voapaka, …) ary ny hazo vaventy (voamboana, vivona, …). Eo koa ny kafe sy ny voankazo, sns.
Rakotoarivelo Patrick, mpiambina ala : Miisa telo lahy izahay no mpiambina ala, ary mifandimby miasa 10 andro isam-bolana avy. Misy trano manokana napetraky ny Gerp any, ka matory any mihitsy miaraka amin’ny vady aman-janaka. Mamboly sy miompy bitro koa aho.
Rakotoarimanana Jacky, mpiambina ala : Nisy ihany ny olona nitsofoka tanaty ala, taloha, toy ireo mpihaza foza, varika, mikapa hazo, manao saribao, fa efa foana raha vao natsangana ny tranokely anaty ala ho an’ny mpiambina. Tsy nisy intsony ny afo nanomboka ny taona 2018, satria tsapan’ny rehetra ny hiarovana ny tontolo iainana.