Fihariana : mora karakaraina ny fiompiana trondro

Fihariana isan’ny mahasarika ny olona ny fiompiana trondro noho izy mora karakaraina, tsy mandany vola saingy mampidi-bola.

Be mpitady sy be mpanontany ny trondro an-tanimbary sy trondro an-dobo eto amintsika. Tsy ampy anefa ny tolotra satria ambony ny filàna.

Mora karakaraina ny trondro raha oharina amin’ny fiompiana hafa izay mitaky fepetra samihafa. Na izany aza, mitaky fanaraha-maso sy fahadiovana ny dobo trondro mba ha­mpiroborobo ny famokarana.

“Arakaraka ny haben’ny dobo ny isan’ny zanatrondro arotsaka ao anatiny. Mano­di­dina ny 10 eo ny zanatrondro tilapia na karpa azo arotsaka ao anaty dobo 1m3. Latsak’ izay kosa raha toa ka trondro mifangaro satria izy hitombo isa”, hoy ny fanazavan-dRatsiferason Christophe avy ao amin’ny office parc. Milanja 350 g ny zanatrondro tilapia eo amin’ny dimy na enim-bolana eo. Mitombo isa haingana vetivety kosa ireo tilapia mifangaro raha toa ka manodidina ny 100-150g eo ny lanjany eo amin’ny fahenimbolany, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Manodidi­na ny 500-600g eo kosa ny lanjan’ny karpa enim-bolana. Nambarany fa mahatrata 1 kg mahery kosa izy raha ajanona anaty dobo mihoatr’izay fotoana izay. Ankilan’izay, mahalany provandy 1 kg eo ny trondro mandra-pahalehibeny. Mety hitombo kosa anefa ny filàny arakaraka ny hijanonany anaty dobo.
Fikarakarana
Ilaina ny fikarakarana ny dobo mialoha sy mandritra ny fotoam-pamokarana. Toy izay koa ny fitiliana sy fanaraha-maso tokony hatao ary ny fanamboarana sy fikarakarana ireo sakafon’ny trondro. Ilainy ny fanarahana ny toromarik’ireo teknisianina hampirindra sy hampahomby ary hampiroborobo ny famokarana. Ma­rihina fa tadifitra anatin’ny vanim-potoana fikatonan’ny fanjonoana isika izao. Trondro an-dobo sy an-tanimbary no betsaka hita eny an-tsena amin’izao fotoana izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: