Fihariana vaovao: Vehivavy mpahandro

Ramatoa Voahangy, mpahandro: Anisan’ireo ray aman-dreny nisitraka fanafody maimaimpoana nozarain’ny Gerp aho. Tratry ny bilariziaozy ny zanako tamin’ny 2015, satria naloto ny rano. Niantohan’izy ireo ny fitsaboana ny zanako, nentina tany amin’ny CSB II Andasibe. Misitraka ny tohana amin’ny fambolena izahay, toy ny teknikam-pambolena, ny fizarana masomboly (tsaramaso, voanjo,…). Ao anatin’ny fikambanan’ny mpahandro koa ny tenako ary mpitari-dia ho an’ny fikarohana ao amin’ny Gerp ny vadiko.
Rtoa Razafiarisoa Ernestine (Neny), mpahandro: Nomen’ny Gerp fiofanana mahandro izahay. Tandrovina ny fahadiovana, ny fomba fandrahoana sakafo misy eto an-toerana sy ny hafa, arakaraka ny ilan’ny mpihinana. Maro ny vahinin’ny Gerp, toy ny mpitsidika, ny mpamita iraka, ny mpizahatany na ny mpikaroka any anaty ala, sns. Mifandimby izahay mpikambana mpahandro, izay misy 60 eo ho eo. Mpahandro iray ho an’ny olona enina, arakarak’izay mpihinana izay no isanay mikarakara. Manohana anay amin’ny fambolena koa ny Gerp.

Partager sur: