Hazo mivoa-dra : zaza roa taona namoy ny ainy tany Antalaha

Tsy mampino ! Raim-pianakaviana nanapaka hazo masina mandeha ra no namoy ny zanany vavikely. Voalaza fa nanangatra ity farany, ka nilaza fa mbola hisy olona fito hafa ho faty !

Mbola misy ireo hazo masina sy tany ma­nan-kasina any amin’ny faritra sasany ! Nitrangana trangan-javatra hafahafa tao amin’ny fokontany Ambalai­voka, kaominina ambanivo­hitr’Antanananambo, distrikan’ An­ta­laha, ny 11 oktobra 2023 lasa teo. Raim-pianakaviana mipetraka ao Nosibe Virembina, Antanananambo no nanapaka hazo masina sy manan-jina tamin’io fotoana io.
Nokaramain’ny mpampiasa azy, hanapaka ny hazo ka hanao « madriers » na hazo fisaka vaventy izy. Teo am-panapahana ilay hazo anefa no nisy tranga hafahafa niseho. Nivoa-dra tampoka ilay hazo nony efa tapaka. Roa andro taorian’izay, ny 13 oktobra, namoy ny ainy ny zanany vavy kely vao roa taona. Nalevina ny ampitson’io ilay zaza.
Andro vitsivitsy taorian’ny fahafatesany, niseho tamin’ity raim-pianakaviana ity sy ny fianakaviany ny fanahin’ilay zanany vavy. Nanangatra niaraka tamin’ny reniny efa maty izy. Nanambara ny fanahin’izy mianaka fa mbola hisy olona fito hafa ho faty ao anatin’ny fito herinandro raha mitohy ny fanapahana ilay hazo.

Nanala faditra
Intsia Bijuga na « Hintsig­ny » no anaran’ity hazo masina nokasaina hanaovana « mad­riers » ity. « Mbola ma­ha­zo vahana ny finoana ireny tany masina ireny aty amin’ny faritra avaratra. Ny zanak’io raim-pianakaviana nanapaka hazo io no nanome fahitana ireo velona fa hoe mbola hisy olona fito hafa ho faty raha mitohy ny fanapahana ilay hazo », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Antalaha, nantsoina an-telefaonina.
Manamafy izany ny tompon-tany sy ny raiamandreny any an-toerana. «  Hazo masina tsy azo tapahina no notapahin’ilay raim-pianakaviana. Tsy mahagaga ny zava-niseho », hoy izy ireo. Nandray fepetra avy hatrany ireo raiamandreny ara-drazana sy mpitahiry ny fomba ary ny tomponandraiki-panjakana ao Antalaha. Nisy ny joro ho famerenan-kasina, notanterahina ny sabotsy sy alahady lasa teo. Nisy ny ala faditra, namonoana omby roa.

Jean Claude

Partager sur: