Nandimby ny raiko izay mpisera-dia ho an’ny fikarohana tao amin’ny Gerp aho, nanomboka ny taona 2016. Lasa mpitari-dia ho an’ny mpizahatany nanomboka ny 2019. Nampianarina hahay teny vahiny, ny karazan-javamaniry sy biby ao anaty ala, toy ny sifaka, ny babakoto, ny sahona, ny vorona, sns. Eo koa ny fahaizana mandray sy mifanerasera amin’ny olona sy ny vahiny, hanampiana ireo mpikaroka siantifika malagasy sy vahiny. Mamboly ihany koa aho.