Nampangain’ny kapa sy ny valizy: jiolahy namono nahafaty ny mpampiasa azy

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Manakara, omaly, ireo jiolahy telo tompon’antoka ta­mina vonoan’olona feno habibiana. Ny 26 oktobra 2023, vehivavy iray no niharan’ny vonoan’olona feno habibiana tany amin’ny faritra Sava. Lasa nilefa nihazo ny kaominina Sahasinaka avy hatrany ireo nahavanon-doza taorian’izay. Nahazo fampitam-baovao mom­ba izany ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Ma­na­kara ka nidina ifotony nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nandritra ny fikaroham-baovao, fantatra fa mihaodihaody ao Mahabako Manakara ireo jiolahy telo voamarina fa tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity. Voalaza fa mpiasa tao amin’ity renim-pianakaviana ity ihany no nivadika ho nanao asan-jiolahy. Niroso tamin’ny fisamborana ireo jiolahy ny zandary omaly. Mbola hita tany amin’izy ireo koa ny valizy sy ny kapa ary findain’ity renim-pianakaviana novonoina ity. Ny vondron-tobim-paritra An­dapa no hanohy ny famotorana ireo jiolahy ireto mialoha ny hanolorana ny ra­haraha eny anivon’ny fampanoavana. Niai­ky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Voalaza fa tsy fifanarahana teo amin’ilay ramatoa mpampiasa sy ireo mpiasa no nahatonga azy ireo nivadika vonoan’olona feno habibiana toy izao.

J.C

Partager sur: