Nivoatra ny fihariana : misy amin’ny tantsaha lasa mpandraharaha

Nanome fiofanana mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana isaky ny seha-pihariana ary ny fitantanana ny Gerp. Misy amin’izy ireny no efa mahaleotena tanteraka.

Nisandrahaka sy nitombo ny seha-pihariana, toy ny fambolena ara-teknika, ny fiompiana. Tsy sarotra rahateo ny lalam-barotra, mitondra fampandrosoana eny ifotony.
Rtoa Rasoarimanana Su­zane Régine, tantsaha mpandraharaha: Anisan’ny nanana tany tao anaty alan’i Maro­mizaha aho, izay lasa Faritra arovana taty aoriana. Tsy namboly tany intsony aho, fa nidina taty Anevoka Morafeno. Maro ny fiofanana nomen’ny Gerp ahy, toy ny fiompiana tantely, ny trondro,… ny fambolena, ny fitantanam-bola, sns. Tsapako fa tsy tokony hohanina ny vola natokana ho an’ny fampiasam-bola ho an’ny fihariana. Miisa efatra ny dobon-trondro tany am-boalohany, ary efa lasa 35 ankehitriny, amina velaran-tany 1,5 ha.
Nanampy ahy ny fahaiza-mitantana, fa tsy mba nindram-bola tany amin’ny banky.
Novatsian’ny Gerp zana-kisoa aho tany aloha, saingy tsy nahomby. Novaiko akoho izany, ka mahatratra 100 isan-taona. Miisa 13 ny tranon-tantely, ahazoana 5 kg isanisany, amidy amin’ny Gerp. Mamboly vary, voankazo fihinamboa, tsaramaso, anana, sns. Am-polony ny ondry ompiako, ka atao fakana zezika ho an’ny fambolena.
Razafimahatratra, sefo kartie, tantsaha, 76 taona : Polisin’ala aho teo aloha, tao amin’ny Gerp. Nijanona ny taona 2021 fa nanohy ny fambolena aty Madiorano. Mitotaly 5 000 m2 ny tanimboliko, ambolena tsaramaso, mangahazo, petit pois, anana, voanjo, sns. Mahatratra 16 t/ha ny voka-bary. Miisa 10 ny tohoka tantely, mamokatra 16 kg isanisany, izay vidian’ny Gerp.
Miompy trondro koa aho, ahazoana 300 g ny tilapia iray ao anatin’ny enim-bolana, ary 800 g ny karpa 10 volana. Tsy sarotra ny lalam-barotra, amidy amin’ireo toeram-pisakafoana etsy amin’ny sampanana mankany Andasibe.

Partager sur: