Sekoly maitso: fitaratra ny any Anevoka Maromizaha

Isan’ny sokajiana sekoly maitso, fitaratra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny EPP Anevoka any Maromiz­aha. Misy ny fandaharam-pianarana manokana ianaran’ny mpianatra, isaky ny alarobia. Nambaran’i Madame Léa, mpampianatra, fa ampahafantarina azy ireo ny fisian’ny ala voajanaharin’i Maromizaha, ny lanjan’ny zavamananaina. Nefa koa misy ny tsindry mahazo azy, ka mila arovana.
Manao fitsidihana anaty ala indroa isan-taona ny mpianatra sy ny mpanabe, ahitana maso ny tombontsoan’ny atiala, ny rivotra sy ny rano madio, ny biby sy ny zavamaniry. Efa mahay manavaka ny fako mety lo sy ny tsy mety lo ny mpianatra. Miisa 400 ny zanakazo hazoala sy voankazo novokarina, ny febroary 2023 teo ary hambolena amin’ny novambra ho avy izao. Misy ny zaridaina sekoly, ambolena legioma sy voankazo.

Tohana avy amin’ny Gerp

Nilaza koa Madame Léa, fa “ho tambin’ny fambolen-kazo nataon’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, nanome kojakojam-pianarana feno ny Gerp, hatramin’ny akanjo aro orana, afa-tsy ny kitapo”.
Miisa 250 ny mpianatra, mpampianatra 6, ka mpiasam-panjakana ny 3 ary Fram ny 3. Iantohan’ny Gerp ny karaman’ny 2 amin’ireo Fram 3 ireo. “Tena mazoto mianatra ny mpianatra, na dia ny hiatrika ny fandaharana ara-tontolo iainana fotsiny aza, manampy ny fianarana”. Afaka CEPE ny 86% amin’ny ankizy tamin’ny vokatra farany teo.

Partager sur: