SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka omaly, teny Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Tenisy, sokajy zandriny. Tazana mandray anjara amin’izany, ilay vehivavy malagasy U-16, Rajaobelina Iriela. Tsiahivina fa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, Akomba, izy, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023.
Manomboka mandeha ny fanazarantenan’ireo klioba rehetra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo manomana fatratra ny taom-pilalaovana manaraka ny klioban’ny Disciples FC Vakinankaratra. Nahazo fiaraha-miasa vaovao tamin’ny orinasa tsy miankina iray ity klioba ity.
Andy Pelmard, Malagasy vodilaharana no mpilalao manana hafaingam-pandeha indrindra amin’izao ao amin’ny Ligue 1 France. Tsiahivina fa nangataka ny ho antsoina Barea zandriny izy ny taona 2017 saingy tsy tontosa izany. Ao amin’ny klioban’ny Clermont Foot no misy azy ankehitriny.

Notontosaina nanomboka omaly, tany Amoron’i Mania, ny fifaninanana «Tournoi Firaisan-kina» 2023, taranja Baolina kitra. Raha ny vaovao voaray, dimy ihany no miakatra eny ambony kianja. Anio kosa, ny sokajy vehivavy no hilalao raha toa ka ireo “Boss” no miakatra kianja rahampitso.

Partager sur: