Anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra ny Malagasy, ankehitriny. Manomboka miakatra ny rano, efa hita taratra eny amin’ny reniranon’Ikopa izany. Vao manomboka izy izao, mbola azo ihoriranana ny mety ho voka-dratsiny. Tsy ho an’ny eny amoron-drano sy ny tanàna azo lalovana fa hatraty am-povoan-tanàna. Manomboka ny petsapetsa sy ny rano miangona. Misy ny faritra sy lalàna efa tsy azo lalovana. Milomano anaty rano-potaka ny mpandeha an-tongotra sy ny mpampiasa fiara.
Ampanenoina dieny aty am-piandohana ny lakolosy, mba hialana amin’ny fifanomezan-tsiny sy ny fimenomenonana diso toerana. Mbola tsy tara ny fandraisana andraikitra amin’ny manampahefana afaka manentana sy misoroka izay azo sorohana. Anisan’ireny ny lavadavaka maro amin’ny arabe. Sasy mety hamono olona no manimba ny fananana izany. Efa nilaza fa manohy ny asa anaty fahavaratra rahateo ry zareo.
Dieny izao, mila maka ny tandrify azy ny mponin’Antananarivo. Tsy hiandry dibo-drano sy milomano anaty rano maloto vao hitabataba. Tsy afa-miala amin’ny fitantanana ny loto ny isam-baravarana. Marina manana ny sampana manokana mitantana ny fako ny kaominina, fa aiza ve dia hiandrasana manampahefana vao hahatsapa tena. Mampalahelo ny mahita ireo olona, tsy tahotra tsy henatra, manipy ny fakony eny amin’ny lalam-bahoaka. Raha miteny sy manoro azy ny mpamafa lalana, moa tsy vavabe no setriny. Mahantra toe-tsaina, hany ka voretra fanahy, tia miaina anaty « tay » sy « amany ».
Tia milalao maloto ny olombelona sasany, ka manome vahana ny fahalovana. Misy tsy mahazo aina raha miroso amin’ny fanajariana ny tanàna sy ny fanadiovana ny tomponandraikitra. Tsy maintsy hialana anefa izany raha te hivoatra sy handroso araka ny hetahetan’ny tsirairay avy. Ny loto no mitondra fahantrana fa tsy misy ny fahagagana.
r.r