VAOVAO TAMBATRA

Miisa 32 ireo Malagasy nandray anjara ta­min’ny “African Business Education for Youth Initiative (ABE Initiative)”. Fandaharanasa karakarain’ny JICA, nanomboka ny taona 2013, ny ABE initiative izay ahafahan’ireo mpandray anjara misitraka fianaran’asa sy fandraharahana any amin’ny firenena Japoney. Tanjona ny hampiroborobo ny indostria aty Afrika sy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ary ny sehatry ny tsy miankina.
Manafaingana ny fahapotehan’ny tontolo iainana ny krizy sy ny tsy filaminana ara-politika ampi­an’ny fahantrana. Tsy afaka mamokatra, mamelona, miaro sy miantoka ny fahasalaman’ny olombelona ny fahasimban’ny harena voajanahary. Hatramin’ny taona 2009, nitombo ny fahapotehan’ny tontolo iainana vokatry ny krizy eto amin’ny firenena, araka ny tatitra navoakan’ny Global Forest Watch.
Tratra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara ny “festival des pirates” ao amin’ny Nosy Boraha nanomboka ny zoma teo. Mahasarika mpizahatany maro ny hetsika fa indrindra ny fampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana sy ny fampahafantarana betsaka ny Nosy. Nisy ny hetsika maro isan-karazany nanamarihina ity “festival des pirates” andiany voalohany ity.
Hanomboka ny alahady izao, etsy Analakely, ny fitsangatsangana anaty baolina mafana (montgolfières). Hisy ny sidina atao any Ampefy, ny 7, 8, 9 novambra izao. Handalo ao Antsirabe ny 10-12 novambra kosa ireo baolina mafana raha ny 14-16 novambra kosa ny any Ambalavao. Hahita ny hakanton’i Fenoarivo sy Vohipotsy ary Isalo kosa ireo mpizahatany ny 16-21 novambra ary hifarana any Morondava ny 23-25 novambra.

Partager sur: