Voaaro ny ala: miroborobo ny fiompiana tantely sy trondro

Mirona miompy tantely sy trondro ny tantsaha. Fihariana mora atao, nefa tena mampidi-bola.
Randrianoavy François, filohan’ny fikambanan’ny mpi­ompy tantely, pasitera: Miisa 6 ny tranon-tanteliko tany am-boalohany, ary niampy 12 hafa. Indroa mandrava tantely isan-taona, fa efa intelo nanomboka ny taona 2023. Nahazo tantely 35- 40 kg ny taona 2021, nitombo ho 50 kg ny 2022 ary 90 kilao ny taona 2023, miampy ny amin’ity oktobra ity.

Miompy trondro aho nanomboka ny taona 2023. Miisa roa ny dobon-trondro, ahitana tilapia miisa 400 ny iray, ary karpa 300 ny faharoa. Efa hanitatra dobo fahatelony aho izao. Mamboly vary, tsaramaso, mangahazo, akondro ary letisia ihany koa. Niisa 70 garaba ny letisia azo tamin’ny taom-piotazana farany teo.

Rafano, mpanodina tantely : Niompy tantely aho nanomboka ny taona 2017. Miisa 25 izahay no ao anatin’ny fikambanan’ny mpiompy, samy niofana ho mpanodina tantely ao amin’ny Gerp. Mahazo tantely 210 kg isan-taona, ka intelo no mandrava, ahazoana 70 kg avy. Amidy 10 000 Ar ny kilao, izay tantely azo antoka, tsy mitampoka.

Arsène, mpiompy trondro sy tantely : Miisa 10 ny tranon-tanteliko. Miompy trondro koa aho alaina isaky ny akaiky krisimasy, ahazoana am-polony kilao. Tsy sarotra ny lalam-barotra, amidy 20 000 Ar ny kilao raisin’ireo trano fisakafoana eny amin’ny sampanan-dalana Andasibe. Mamokatra zanakazo koa ny tenako.

Rakotomalala Gilbert, filohan’ny VOI Fanantenana, mpiompy kisoa sy vorona : Nomen’ny Gerp fiofanana manokana mahakasika ny fiompiana kisoa sy vorona aho, tamin’ny taona 2016. Ampiterahana ny renin-kisoa, ary amidy ny zanany, fa mitazona vitsivitsy aho hampitomboina indray. Miisa 12 ny vorona dokotra ompiako.

Partager sur: