Nifarana ny 30 septambra teo ny fotoam-piasana, tao anatin’ny enim-bolana farany, ho an’ny vondron’orinasa Airtel Afrika. Any Nizeria ny foiben’ny vondrona. Sandam-bola ampiasaina ny Naira, ka tsy maintsy nahomby ny vokatra amin’ny ankapobeny, satria nitombo 9,7% ny isan’ny mpanjifa, manome 147,7 tapitrisa. Nitombo ny tolotra sy ny vola nokirakiraina, ka niampy 23% ny isan’ny mpanjifa mampiasa ny tolotra (59,8% tapitrisa) ary niakatra 23,1% ny isan’ny mpikirakira vola amin’ny finday (36,5 tapitrisa). Nitombo 45,3% ny fifanakalozam-bola tamin’ny finday, mitentina 116 miliara dolara.
Na teo aza ny fitotongan’ny sandam-bola, nitombo ny vola kirakiraina amin’ny fifandraisan-davitra amin’ny finday. Niakatra 18,3% ny salanisa amin’ny fifanakalozana, ka +11,5% ho an’ny fifampiresahana amin’ny finday, raha +28,1% ny avy amin’ny tolotra antontam-baovao. Nitombo 30,9% ny fifanakalozam-bola amin’ny finday.
Nahatratra 13 tapitrisa dolara ny fatiantoka taorian’ny hetra. Nitentina 471 tapitrisa dolara ny fandaniana ara-bola mialoha ny nandoavan-ketra, ary 317 tapitrisa dolara ny taorian’izay.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Vondron’orinasa Airtel, Olusegun Ogunsanya, nahafapo izao vokatra azo izao, na teo aza ny fikorontanan’ny sandam-bola teo amin’ny tsena. Hita fa tsy mitsaha-mitombo ny filàna, ny fanjifana ary ny tolotra ateraky ny fifandraisan-davitra, ka samy mahazo tombony ny rehetra.
Njaka A.