Alasora: jiolahy efa-dahy rotiky ny balan’ny polisy

Jiolahy mitam-piadiana efa-dahy indray lavon’ny mpitandro filaminana teny amin’ny kaominina Alasora, ny alin’ny talata 31 oktobra teo.

Nirefodrefotra ny basy teny Ankona, kaominina Alasora, afakomaly alina. Jiolahy dimy lahy nifanandrina tamin’ny polisim-pirenena. Manoloana ny asan-jiolahy miseholany eto an-drenivohitra, nanao hetsika ma­no­kana ny mpitandro filaminana. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ireto olon-dratsy ireto no nifanehatra tampoka tamin’ny polisy. Ni­ti­fi­tra avy hatrany ireo jiolahy rehefa nahatsikaritra ny poli­sin’ny USI. Niaro tena ireto farany. Vokany, voan’ny bala ny efatra tamin’ireo olon-dratsy. Nirifatra nandositra ny namany iray hafa. Tsy tana intsony ny ain’ireo efatra voatifitra noho ny fahaverezan-dra be loatra tamin’izy ireo.

Basy telo…
Nandritra io fifandonana io, basy maherivaika miisa telo latsaka teny amin’ireo jiolahy nandritra ny fifanjevoana. Na­hitana bala avokoa ireo fitaovam-piadiana ireo. Nogiazana avokoa ireo basy fampiasan’ireo jiolahy. Anisan’ny tom­pon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny amin’ ny manodidina ny kaominina Alasora ireto lavo ireto. Raha tsiahivina, voasambotry ny polisy ny andian-jiolahy miisa valo ary maty voatifitra ny lehibeny teny Ambatoroka, ny 29 septambra lasa teo. Mitohy, araka izany, ny famongorana ireo olon-dratsy ataon’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: