Natokana ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tahirim-bola ny 31 okrobra. Tanjona ny hampandrosoana ny fampiasam-bola, hampiroboroboana ny seha-piharian’ny sokajin’olona samihafa.
Anisan’ny nankalaza izany ny Orinasa iombonana ho an’ny fitahirizam-bola sy ny fampindramam-bola (Smmec). Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tahirim-bola ny 31 oktobra teo. Anisan’ny nankalaza izany ny orinasa iombonana ho an’ny fitahirazam-bola sy ny fampindramam-bola (Smmec) sy ny mpiara-miombon’antoka aminy samihafa. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « Ny tahiry antoky ny ho avy ». Miparitaka manerana ny faritra 14 ny Smmec, izay efa nisy tato anatin’ny 23 taona. Miisa 137 ny masoivoho manerana ny Nosy.
Nikarakara hetsika samihafa ny Smmec, nentina nankalazana ity vanim-potoana ity. Anisan’izany ny loabary an-dasy, ny famelaberan-kevitra mifantoka amin’ny adihevitra amin’ny lafiny ara-bola madinika sy ny fandraharahana.
Tahiry ho an’ny rehetra
Nasongadina tamin’ity fotoana ity ny lanjan’ny fanaovana tahirim-bola ho an’ny mpanjifa. Manampy ireo, misy ny fiahiana ara-tsosialy, toy ny lafiny fahasalamana,ohatra, hiantohana ny fitsaboana ny mpikambana, hatrany amin’ny 60%, ny fandaniana.
Tsy nitsahatra nivoatra ity sampandraharaha ara-bola ity, satria efa nitsinjo ny sokajin’olona rehetra ny Smmec. Miainga ny amin’ny zaza vao teraka, ny mpiasa isam-bolana, hatrany amin’ny mpisotro ronono.
Tsiahivina fa mahazo zanabola 7% ireo manao fiahiana ara-pahasalamana. Tsy tanteraka anefa ireo raha tsy manao tahiry ao amin’ny Smmec ny mpikambana.
Anisan’ny hetsika nataon’ny Smmec nankalazana ity Andro iraisam-pirenena ity ny lafiny ara-panatanjahantena, loabary an-dasy, fitetezana tanàna, sns.
Njaka Andriantefiarinesy