Fivorian’i Afrika sy ny ligy Arabo: handray anjara i Madagasikara

Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana an-tampony voalohany iarahan’i Afrika sy i Arabie Saoudita. Eo koa ny fihaonana an-tampony fahadimy eo amin’ny firenena Arabo (Ligue Arabe) sy i Afrika, hatao ao Riyad, ny faha-10 sy ny 11 novambra izao.
Tanjona amin’izany ny hijerena ireo fomba hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, sy hanohanana ny fiombonan’antoka eo amin’ny firenena arabo sy ny kaontinanta afrikanina, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Ny Arabia Saodita ihany koa, amin’ny maha firenena mpampiantrano azy, maniry hanohana ny fampandrosoana ny firenena afrikanina, amin’ny alalan’ny Tahirimbola Sao­dianina ho an’ny fampandrosoana. Maro ireo tetikasa iaraha-manatanteraka indrindra eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa sy ny mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro raha ny fifandraisan’i Mada­gasikara sy i Arabia Saodita manokana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana ny tetezana ao Mangoky sy ny tetikasa “Middle East Green Initiative”. Nankatoavina koa ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fa­nafarana ireo akora fanodinana ilain’ny Trano printim-pirenena hanaovana ny karatany, ny dika solon’ny bokin-tany, ny taratasy fanamarinana fananantany sy ny karapanondrom-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: