Halatra omby tao Maintirano : mpanara-dia roa maty voatifitry ny dahalo

Lehilahy roa anisan’ny fo­konolona nanara-dia maty voatifitry ny dahalo tao amin’ ny fokontany Andranonakan­ga, kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano, ny alahady 29 oktobra teo tamin’ny 9 ora. Tamin’io alin’ny alahady io, omby miisa 20 norobain’ny dahalo tao amin’ny tanànan’ Andranonakanga. Nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo ka nitifitra ireo mpanara-dia. Vokany, lehilahy roa maty voatifitra. Nirifatra nandositra ireo nahavanon-doza niaraka ta­min’ny omby halatra. “Efa misy ny opération ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana momba io firongatry ny asan-dahalo io”, araka ny fanazavan’ny kapiteny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao Maintirano. “Efa tsy mionona fotsiny amin’ny halatra omby ireo dahalo aty an-toerana amin’izao fotoana”, hoy ny loharanom-baovao. Maka olona hatao takalonaina koa ireo olon-dratsy rehefa tsy misy omby halaina ao amin’ny tanàna iray.
“Dimy taona ho lany ny omby”
Taloha, misy 2 000 fa izao efa zara raha 600 sisa no hita eny amin’ny tsenan’omby. “Dimy taona, ho lany ny omby aty, raha toa ka mitohy ny halatra omby”, hoy ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao Maintirano. Notsin­driny fa tsy vitan’ny mpitandro filaminana samy irery ny fifehezana ny fandriampahalemana ao an-toerana. “Mila miainga amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry rehetra ny fitandroana ny fandriampahalemana”, hoy izy. Misy amin’ ireo mponina ao an-toerana mifampialona ka manafatra olona ivelan’ny tanàna handroba ny an’ny hafa.

Tsiferana R.

Partager sur: