Tokony hanainga rahampitso 3 novambra, miaraka amin’i Andy sy i Diary, hiatrika ny “World Jiu-Jitsu Championship” any Abu Dhabi, i Fifaliana. Mbola manao antso anefa izy ho an’ireo malala-tanana sy mpanohana satria mbola tsy feno tanteraka ny hoenti-manana ahafahana miatrika ity fifaninanana ity. Na izany aza, efa kely sisa dia ho feno izany. I Fifaliana irery no Malagasy mpikatroka misedra olana amin’izy 13 mianadahy solontena malagasy, ka izany indrindra no hanaovana izao antso avo izao, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu. Tsiahivina fa efa tonga any Abu Dhabi, ny delegasiona malagasy tapany voalohany, ahitana an’i Nofy, i Christian, i Tafita, i Adriano ary i Zo Aina. Hanainga anio 2 novambra kosa ny tapany faharoa, ahitana an’i Linjo, i Rajo, i Tojo ary i Tsinjo. Rahampitso 3 novambra kosa no hanainga i Andy sy i Diary ary i Fifaliana, raha toa ka milamina ny ara-bola ho an’i Fifaliana. Tena nanomana mafy ity fifaninanana ity izy ary vonona hitondra avo ny voninahi-pirenena.
Mi.Raz