Motocyclisme : handray ny fivoriana iraisam-pirenena i Nosy Be

Hotanterahina eto Mada­gasikara, amin’ity volana novambra ity ny fivoriambe ara-potoana “Assemblée Gé­nérale (AG)” ny federasiona iraisam-pirenen’ny Motocy­clis­me (FIM) Afrika. Any Nosy Be no toerana nosafidin’ny federasiona malagasin’ny motocyclisme (FMAM) handray izany, manomboka ny 3 hatramin’ny 5 novambra ho avy izao.

Miisa 25 ireo firenena ho avy hivory eto an-tanindrazana raha ny vaovao voaray omaly. Anisan’izany, i Afrika Atsimo, Angola, Botswana, Côte d’ivoire, Kenya, Libye, Madagasikara, Maroc, Nami­bie, Ouganda, Royaume-Uni, Tunisie, Zambie, Zimbabwe. Tombony ho an’i Madagasi­kara ny fandraisana ity AG ity. Natao hampahafantarana ny lanjan’ny ny taranja Moto sy hampivelarana ny tontolon’ny fizahantany eto amintsika izany. Raha ho an’ny FMAM, io no fotoana hangatahana fanampiana hoenti-mampandroso ity taranja ity. Raha ny fanazavana nomen’i Jean Gabriel Harison, filohan ‘ny FMAM. Hametraka ivontoeram-piofanana matihanina amin’ny fanamoriana moto ny federasiona. Hampivelatra ny “Garages” ho lasa matihanina sy ny sehatra fizahantany “Touring” ho ambony kokoa. Hampidirana ao ihany koa ny resaka fandriampahalemana sy ny fisorohana ny loza mianjady ireo mpanamory ny moto.

Tsara marihina fa entina mitsidika ny Nosy Iranja ireo vahiny ireo. Tsiahivina fa efa tamin’ny taona 2018 ny AG no nangatahan’ny FMAM horaisina eto Madagasikara. Ny taona 2020, tokony handray ity AG ity isika, saingy noho ny valanaretina Covid-19 dia nahemotra tamin’ity taona ity izany. Marihina fa miisa 116 ireo firenena mpikambana anatin’ny FIM, ary anisany i Madagasikara. Miisa 30 ma­hery ny mpikambana amin’ny FIM Afrika.

Fitia Randria

Partager sur: