« Judo-Tompondaka maneran-tany Vétéran ». Nandrombaka ny medaly alimo i Heriniaina Vestalys, teo amin’ny sokajy M6, latsaky ny 60 kg, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Vétéran, natao tany Abu Dhabi. Laharana fahadimy kosa no nisy an’i Mamy Dongoza.
“Ballon d’Or 2023”. Norombahan’ilay Arzantinina mpilalao baolina kitra, Lionel Messi, indray ity amboara goavana ity. Imbalo nahazo ity baolina volamena ity izy amin’izao fotoana izao, ary mipetraka ho tantara ny zava-bitan’ity mpanjakan’ny baolina kitra ity. Maro ireo faly saingy tsy vitsy ihany koa ireo tsy afapo tamin’ny vokatra.
Amin’ity volana novambra ity, hiatrika ny fifanintsanan’ny “Mondial 2026”, izay atao any Etazonia, i Madagasikara. Lalao roa no miandry azy ireo, anisan’izany ny fihaonana izay hifanandrinan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sy ny Black Star Ghana. Tsiahivina fa any Ghana no hanaovana io fihaonana io.
Ny federasion’ny Rugby frantsay sy ny Africa Rugby, vonona ny hifanome tanana amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny Rugby, vehivavy, eto Afrika. Notanterahina tany France, ny talata lasa teo izany. Marihina fa anisan’ireo firenena manana ekipam-pirenena vehivavy, amin’ity taranja ity, i Madagasikara ary efa misongadina tanteraka izy ireo.