Boky ho an’ny ankizy. Hivoaka amin’ity volana novambra ity ilay boky « Amboarana angano/Recueil de contes », 92 pejy. Boky mirakitra angano miisa 5 voasoratra amin’ny fiteny malagasy sy fiteny frantsay. Asa soratr’i Arikaomisa Randria, ravahin’i Max Razafindrainibe amina sary nataon-tanana. Manampy indrindra amin’ny fampiainana ny angano ireo sary ireo.
« ADMC- CRAAM 10 Taona ». Mankalaza ny faha-10 taonany ny “Centre de ressources des arts de Madagascar” CRAAM, ivontoerana mampiroborobo ny haikanto sy ny kolontsaina eny Ankatso. Fampirantiana hosodoko sy sary, dihy sy fampisehoana poezia ary fampisehoana iarahana amin’ny mpahay kanto mpihira, noentina manamarika izany.
Leo Marilier. Hitohy anio ny fampisehoana, anehoan’i Leo Marilier, mpitendry lokangam-bazaha ny traikefany, eny amin’ny IKM Antsahavola. Miara-miasa amin’ny Madagascar Mozarteum, ity vahiny mpahay kanto ity manao izao seho izao eto amintsika. Raha tsiahivina, efa nisy ny fampisehoana nataony ny alahady teo, teny amin’ny IKM Antsahavola.
« Expo. Photo Anthotype ». Tanterahina eny amin’ny Aft Andavamamba, ny 8 hatramin’ny 30 novambra 2023, ny fampirantiana nampitondraina ny lohateny hoe “La Photographe à la Chlorophylle”. Araka izay anarany izay, sary amin’ny ravinkazo no hita mandritra ity hetsika ity. Hisy ihany koa ny atrikasa iarahana amin-dRamanahadray Fidison mandritra ny hetsika.