Maty voatifitry ny miaramila DSS12 ny dahalo saika handroba tao amin’ny tanànan’Ambatofotsy, fokontany Miaramanana, kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly alina. Efa malaza ratsy ao amin’ity tanàna ity ny fisian’io olon-dratsy io ka antony nahatonga ny miaramila nametraka vela-pandrika.
Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy ny jiolahy iray vao 17 taona, nanolana zazavavikely efa-taona tao Ambohitra, fokontany Ambohimahatsinjo Ambohimanambola. Ny alatsinainy 16 oktobra 2023 lasa teo no nanamparan’ity jiolahy ity ny filan-dratsiny tamin’ilay niharam-boina.
Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly, ny jiolahy voarohirohy tamina raharaha vonoan’olona teny Anjeva Gara, ny 24 oktobra 2023 lasa teo. Nampangain’ny ra teo amin’ny handriny izy ka noraisim-potsiny. Vehivavy iray 56 no notsatohany antsy teo amin’ ny tendany, lamosiny ary ny handriny. Tsy hita tao an-trano ny volan’io renim-pianakaviana io.
Tsy namelan’ny zandary raha tsy tapitra ny lalan’ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Kakidy sy ireo namany roa lahy hafa, afakomaly. Nandritra ny fifandonana tao Betsaho, fokontany Manabevitsika, kaominina ambanivohitr’i Madirovalo Ambatoboeny, no nahalavo ireo dahalo. Tadidin’ireo fokonolona mpanara-dia ireo malaso ireo satria nikasa hanafika tao Anjiajia.