VAOVAO TAMBATRA

Handray anjara amin’ny “Cop 28”, ny 30 novambra ka hatramin’ny 12 desambra, atao any Dubai, Emirats Arabes Unis, i Madagasikara. Hampia­vaka ity andiany ity ny fitokanana sy fanokafana ny toerana voatokana “pavillon de Madagascar” izay se­hatra hampisongadinana ny Nosy sy hampiroboroboana ny fiombonan’antoka mahakasika ny “crédits carbones”.
Maherin’ny 20 000Ar ny vidin’ny iray kilao amin’ny jirofo hatramin’ny nanombohan’ny taom-piotazana tamin’ity taona ity. Tsara ny vidim-bokatra. Tsy hionona amin’ny famokarana toy ny mahazatra ny kaoperativa fa afaka manondrana mivantana mankany ivelany. Miandrandra fahazoan-dalana hanondrana jirofo ny kaoperativa iray ao amin’ny faritra Analanjirofo.
Karatany 13 753 sy titra 70 isa voazara tao Arivonimamo, faritra Itasy, ny talata teo. Hetsika karakarain’ny fitondram-panjakana hanampiana ny tsantsaha malagasy. Tetikasa iaraha-miasa amin’ny CASEF. Nisitraka ny anjarany ny tany an-toerana. Mbola hitohy kosa ny fizarana karatany 40 000 manerana ny Nosy.
Hetsika ara-toekarena lehibe tao Mahajanga, nandritra ny efatr’andro ny “salon des acteurs économiques” (SAEM) andiany voalohany. Hetsika fampihaonana ireo mpisehatra ara-toekarena ao an-toerana. Miisa 100 ireo mpandray anjara mandraharaha eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny jono nampiranty ny fahaiza-manaony.

Partager sur: