Voatifitra : jiolahy nangala-bary iray gony

Lavon’ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana afakomaly, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana tao amin’ny fokontany Alatsinainy Ankitsikitsika, kaominina ambanivohitr’Antsahalava, distrikan’Antanifotsy. Efa-dahy ry zalahy no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity ka tratran’ny fokonolona ny iray tamin’izy ireo. Avy nandroba tokantrano iray tao amin’ity fokontany ity ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Lasan’ireo mpanafika ny vary iray gony sy vola 1 tapitrisa Ar. Naratra nandritra ity fanafihana ity ny vehivavy iray 62 taona. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny fokonolona ka tratra tao an-tranon’ilay voasambotra ny vary iray gony sy bala efa nipoaka. Tafaporitsaka tampoka anefa ireo namany. Tonga haingana teny an-toerana ny zandary naka ilay olon-dratsy sady hikarohana ireo namany. Teny an-dalana hisambotra ireo namany anefa, nitsoaka tampoka tany anaty kirihitr’ala ilay jiolahy. Vokany, voatery nitifitra ny zandary ka lavo tamin’izany izy. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa efa malaza ratsy amin’ny halatra omby sy fanafihana mitam-piadiana ity voatifitra ity.

Jean Claude

Partager sur: