Vondron’ny olompirenena: manentana hatrany anelakela-trano

Midina ifotony. Eny an-tsena sy an’elakela-trano ary anaty fokontany rehetra ny hetsiky ny Vondron’ny olompirenena “Organisation citoyenne”. Manao haody sy miangavy minitra vitsy handresena lahatra hampandaniana ny kandidà Rajoelina Andry. Anisan’ny efa nandehanan’ny ekipan’izy ireo ny teny amin’ny tsenan’Ambanidia, Mandroseza, Ambo­lo­kandrina, Ambohipo, Tsiadana…. “Mpivarotra izahay ary nipoitra avy aty anaty tanàna aty. Nanangananay ny fikambanana misy anay ka mivelona sy miaina ety toy ireto vahoaka resenay lahatra hifidy ny kandidà laharana fahatelo ireto izahay”, hoy Razafindravao Pascaline. Nambaran-dRazafimbelo Tiana Olivier kosa fa mora kokoa ny fifampiresahan’ny samy mpivarotra ary efa resy lahatra izy ireo noho ny fampidirana azy amin’ny “digitalisation”, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ben’ny Tanàna. “Tsy manam-potoana firy hidinana eny amin’ireo mivorivory izahay fa mitady ny haninay sy ny ankohonanay isan’andro ka tena mety aminay ny mba tsidihin’ireto mpanao propagandy aty an-tsenanay. Efa safidinay rahateo ny kandidà Andry Rajoelina. Hitanay fa mahavita azy izy”, hoy Ra-Bodo, mpivarotra legioma, etsy amin’ny tsenan’ Ambanidia.
Tsy nila fandresen-dahatra be loatra ireo toerana nidinanan’izy ireo. Fampahatsiahivana ny adidy sy ny fahefan’ireo mpifidy mba hametraka ny mpitondra tiany ho fidina no natao. Efa nahavita ny fanaraha-maso ny anaran’ny isan’ireo mpifidy voasoratra tany amin’ny fokontaniny avy ny ankabeazan’izy ireo raha ny fanadihadiana. Vonona ny hifidy amin’ny 16 novambra.

Synèse R.

Partager sur: