Teto Antananarivo no nampiantrano ny lalao famaranana isam-paritra amin’ny fampivoarana ny tranonkala “24h by webcup”. Mpandresy tamin’ny fifaninanana tamin’ity taona ity ny ekipa malagasy Angry Geek.
Teny amin’ny Ibis Ivandry no nanolorana ny loka, nanomboka ny 28 ka hatramin’ny 29 oktobra 2023. Ny mpandray anjara teo amin’ny famaranana, nandray ny fanamby amin’ny famoronana siniben-tserasera ho fiarovana amin’ny loza voajanahary, amin’ny fampiasana faharanitan-tsaina artifisialy hanairana ny vahoaka amin’ny fotoana tena izy. Nanan-danja ny fanamby napetraka tamin’ny fifaninanana satria nitombo avo roa heny ny isan’ny loza voajanahary tato anatin’ny taona vitsivitsy. Hoentina hiatrehana io fanamby io, namolavola algorithme manan-tsaina izay afaka maminavina karazana loza voajanahary samihafa ny mpahay siansa ao amin’ny ivontoeran’ny ranomasimbe Indianina.
Hampitandremana ny vahoaka
Nasaina namolavola sehatra tranonkala mitovy amin’ny tranonkala momba ny toetr’andro, ny ekipa mpandresy tsirairay, amin’ny fampiasana angon-drakitra ara-potoana avy amin’ny faharanitan-tsaina artifisialy mba hampitandremana ny vahoaka raha misy loza mananontanona. I Gael Musquet, vahiny manokana sady mpijirika malaza sy manam-pahaizana momba ny toetr’andro, nahazo tombony ireo mpandresy tamin’ny famaranana ny tetikasany, sady nanamafy ny lanjan’ny fifaninanana, araka ny torohevitra nomeny. Ny famaranana isam-paritra tamin’ity taona ity dia nampivondrona ireo mpandresy avy any Mayotte, Maurice, La Réunion, Comores, Rodrigue ary isika Malagasy izay nandrombaka ny laharana voalohany. Noforonin’ny fikambanana Webcup tamin’ny taona 2011 ny fifaninanana “24h by Webcup”. Nandray anjara lehibe tamin’ ny lalao famaranana isam-paritra ny Telma, mpiara-miombon’antoka efa hatry ny ela tamin’ny Webcup, andiany nasionaly.
Fanou