Boky sombin-tantara: hanolotra « Sela Maradona » ny Stelarim

Handray hetsika famoaham-boky mirakitra sombin-tantara, « Sela maradona », anio tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ny Efitrano Dox, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana nomanin’ny Mpizaka Stelarim amin’izany ny fiantsana tononkalo, hira sy dihy… Holalaovin’izy ireo eny an-tsehatra ihany koa ny ampahany amin’ireo sombin-tantara voarakitra ao anatin’ny boky « Sela maradona ». Miisa 15 ny sombin-tantara hita ao anatin’ity boky ity, ahitana lohahevitra maro izany. Ao ny mahatsikaiky, mahaliana, mampitaintaina. Ireo mpikambana ao amin’ny Mpizaka Stelarim avokoa no nanoratra azy ireo.
Marihina fa anisan’ny ezaka imasoan’ity fikambanana ity ny hanome aina hatrany ireo kolontsaina malagasy. Tsy voafehin’ny rindrina efatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny sehatra hanatanterahan’izy ireo izany fa mipaka hatrany anivon’ny fiarahamonina. Ankoatra ny sanganasan’ireo mpanakanto teo aloha, manome hasina sy lanja ny kanto voaforon’ny tanora ny Mpizaka Stelarim.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: